RATRAM-PO : HALAHELO (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RATRAM-PO : HALAHELO

Dia vitanao tokoa moa
Ny niala tsy nisy fanazavana ho an’ity fo.
Navela nitolona irery sy hangaina,
Ilay foko nitady famaliana, nitaraina.

Tsy nisy teny na fanambarana nohenoina,
Fa toy ny tabataba fotsiny dia hadinoina.
Rehefa niezaka niangavy am-pahatsorana,
Dia noratrainao tsy nisy indrafo na fiantrana.

Izaho izay niandry am-paharetana, niala nenina,
Nitazona fitia sy nanantena anao tsy nitsahatra,
Indrisy anefa, toa very fanantenana sy nanenina,
Toy ny olona tsy nahafantatra mihitsy anao hatrizay.

Teny mangidy no navoaka sy natolony,
Toy ny fanindrona niseho teo imolony.
Tsy teny mamy, fa loharano nahatonga ratram-po ho ahy,
Satria ianao, tsy nisalasala fa tena sahy.

Ymamiah 27/07/2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116