Tena namana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olona tena namana
Olona tsy mba manary
Ary mitondra teny fiadanana
Izay nomen'Ilay Mpahary

Ny olona tena namana
Manampy amin'ny tsy fahampiana
Ary tsy miravoravo tanana
Fa mampahery amin'ny hakiviana

Ny olona tena namana
Mitondra anao amin'ny tsara
Fa tsy sanatria haditràna
Ka ho diso safidy sy anjara

Ny olona tena namana
Tsy mba manavakavaka
Na mahantra ianao na manana
Dia mitondra anao ambavaka

Ny olona tena namana
Manana an'i Kristy
Ka handova ilay fahasambarana
Rehefa vita ny iraka ety.

Ymamiah, 09/06/2023
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
202 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138