Tsenan’Asabotsy: Fo May, Fanahy Tsy Rava (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsenan’Asabotsy: Fo May, Fanahy Tsy Rava

Akory ny fieritreritro, angamba nofy irery,
Tsenan’Asabotsy may, tsy hay tohaina intsony,
Toerana malaza, rivotra feno hery,
Ankehitriny alahelo, no miboiboika anaty fon’ny olona.

Ny tanàna Antsirabe, fo sy herin’ny tany,
Tsenan’ny mpiara-monina, fandresena isan’andro,
Ireo tantsaha mpanao zava-tsoa ho an’ny firenena,
Niroso hatrany, nitondra ny vokatra mamy sy madio.

Ny tsena Asabotsy, foibe tsy tazan-kavana,
Mpividy sy mpivarotra, nifangaro tsy misy anavahana,
Avy lavitra sy akaiky no niara-nikoriana,
Niaina harena, nofy sy fahavononana.

Kanjo tonga tampoka, lavenona sisa tavela,
Afo nandoro, nanafintohina, tsy hay noterena,
Entana niangon-taona, potika tsy nampoizina,
Nanosika ranomaso sy alahelo lalina.

Fa iza no tena tompon’antoka, ka niteraka ratra?
Fahamaizinana ve, sa hadisoana voarindra?
Misy mpanendaka, mety miketrika fahavoazana,
Manao afera miafina, tsy takatry ny vahoaka.

Mpamonjy voina tonga, fa tara loatra angamba,
Tsy nisy fiomanana, tsy ampy fitaovana,
Mety nisy lesoka teo amin’ny rafitra sy fanapahan-kevitra,
Sa nisy fo tsy nijery ny fitarainan’ny rehetra?

Potika sy rava ilay toerana mamiratra,
Tsy misy fanarenana, raha tsy misy mitaky,
Tsenan’ny vahoaka, very tsy nampoizina,
Fa mbola fanontaniana: ho hita ve izay marina?

Tsy ho levona anaty haizina sy lavenona,
Ny feon’ny rariny mbola hitsoka ho fitaratra,
Tsy maintsy ho fantatra izay tena nandoro,
Na dia afina aza ny marina sy tsiambaratelo.

Ankehitriny mangina, tsy misy mihetsika,
Fa ho avy indray andro hanarina izay rava,
Ny mponina tsy ho resy na hangina,
Fa hitambatra hanangana vaovao sy tsara.

Tsy ho faty anaty setroka sy tantara,
Tsenan’Asabotsy hiverina ho tsara kokoa,
Antsirabe tsy ho kivy fa ho tafarina,
Misy Ray mpiahy mitondra fahamarinana

Ymamiah 27/07/2025
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
207 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149