Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy Nampoizina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy NampoizinaTeny anaty zaridaina
No nanirian’ny fony faniriana,
Nifidy ilay voninkazo hafakely
Nanaitra saina, tsy malemy, tsy malazo, tsy mahaleo tena,
Dia narafitra ho fanomezana
Hampitondra hafatra sy hafanana.
Ny ranon’ando teny am-borona
No nanasa ireo ravin-kolokolo,
Ny masoandro nibanjina ny lanitra mangiran-dratsy
Tsy mbola nisy feo, fa izy tonga tatsy,
Mba hitondra hafaliana sy hafalambony
Ho an’ilay tokana ao am-pon’ny fony.
Dia natombony ilay diany
Niantsena fitia amin-katezerana mamy,
Nanantena hafaliana teo am-baravarana
Fa indro fony tonga, nangaragarana...
Nisokatra ny masony, nahita ny vazy
Nisy fanomezana tsy avy aminy, voninkazo tsy azy!
Avy aiza ity fanomezana? Fa tsy fantatro re!
Hoy ny fony, nangovitra tsy satry.
Ary raha mbola nitazana avy teny ambava-baravarana
Dia sendra olon-kafa nitsiky sy nitafa tamim-pahazavana.
Nifampijerijery sy nitoditodika ery
Toy ny olona nivoady sy mpifankatia very saina ery!
Nodiany tsy hita ilay fahoriana,
Notohizany moramora ny diany mangina,
‘Ndeha hody aho’, hoy ny fony mangingina
Na dia feno ratra ilay amboaram-boninkazo, tsy navela hangina.
Izay natao hiampita fitiavana anaty mangina,
No nalevina tamim-pahanginana sy faharesena tsy nampoizina.
Lasa izy, nefa mbola niondrika teny an-dalana,
Nitsiky kely hoentina manadino ny toerana,
Fa ny ranomaso, tonga tsy navahana
No niaraka nitsiky tamin’ny tsy fananana,
Fa izay saika hatao anaty fitiavana tsy nampoizina
Dia nivoaka ho lasa fahanginana sy poizina.
Ymamiah 27/07/2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
