Vidim-piainana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miakatra isan’andro
Ny vidim-piainan-janak’olombelona
Reko ny io antoandro
Fa mirongatra ihany koa ireo ambalavelona

Ny vidim-bary, savony sy hena
Tsy mijanona miakatra eny an-tsena
Eny, hatramin’ireo voakazo
Na ihany koa ny vidim-boninkazo

Na any ambanivohitra na antanan-dehibe
Dia tsy mijanona miakatra, ireo saran-dalambe
Ireo madinika no tena voa mafy
Tsy afaka mitroatra na hitsoaka hoany an-dafy

Firifiry moa ireo izay mitaraina
Marary mafy ka miady aman’aina
Na ny any an-trano na any amin’ny hopitaly
Tsy misy fiovana fa toy ny omaly

Ymamiah 11/06/2023
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
202 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138