Ny andron'ny mpifankatia (R.A.Mario)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny andron'ny mpifankatia

Ny andron'ny mpifankatia
F'angaha tsy hoe mandrakizay?
F'angaha tsy hoe doria ny dia?
Izay aloha no fantatray

Raha atao tsingerin-taona
Samy manana ny azy
Tsy mitovy ny fotoana
Ao ny lasa ao ny ho avy

Raha hoe jôbily lehibe
Maika mbola hafa ihany
Mety ho "aout" na "février"
Na jolay na janoary

Angamba ho an'ny mpifamofo
Mbola eo am-pandrafetana
Vao mamelombelon-doko
Mila mifanentanentana

Fa…
Ny anay ny andron'ny fitia
Isan'andro isan'ora
Ao ny mamy sy ny fy
Ao ny mafy sy ny mora

Dia izay…

R.A.Mario le 14 février 2009
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1452 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : R.A.Mario
Inséré par : marobiby
Date : 02/03/2009 05:34
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134