Hevitra momba ny TSIKY VENDRANA

Hiverina amin'ny TSIKY VENDRANA
Soarilala ( 16/10/2010 12:28)
Tena mifanojo ange izany koa inona indray no mampitsiky vendrana amin'izany!!!!Sa tsy nampoizina mihintsy no dia mampiantso vonjeo....Dia ahoana ihany ary izany....
nnjiva ( 19/10/2010 18:31)
Mahafinaritra be mihitsy ny fiaigan'ny asa-soratrao, mientanentana sy manavao be ny drafitra sy ngadony, tsy nampoiziny mihitsy marina ko' :p, nefa hono alohaloha teo nitsaingotsaingo-dresaka ery! xD
Hobiana ( 23/10/2010 09:39)
Mamaky matetika ny tononkalo alefanao aho fa ity indray mandeha ity NIAKO be tamiko mihitsy, milay be!
Aynah ( 19/01/2011 22:19)
Dia nifandimpatra ny tongotro,
Ka nangovitra ny molotro,
Hay takatrao ny tao am-poko
Ventsoventso sy toloko...

Dia te hiantorantoraka,
Ary koa te-hamboraka!
Lay vonjeo saika atao...
Novonjen'ny molotrao...
Nanjary mamy toa tantely,
Na dia vetivety kely...
Asa anefa ny ao afara...
Na ho anjara, na ho tantara...
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0095