TSIKY VENDRANA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay bitsi-teny izay natsipiko, tan-tsofinao izay nanongilana
Ilay pi-maso izay natorako, taminao tan-kodimirana,
Ilay vongan-tsiky feno lefaka, natorako tsy mba noferana
Ilay kopa-tanan-tsaro-kenatra, nomeko anao ilay niserana
Dia fihetsika ninia-natao, natera-betso te ho namana

Ilay vezika etsy sy eroa, akaikinao mitanintanina,
Ilay edim-pihetsiko narija, nangata-maso mihaminkamina
Ilay jery ranga feno jejo, maniry mafy ny ho hita
Ilay tsaingotsaingo-dresaka, fa manan-teny tiana hiampita
Dia fientanam-po niserana, ka tena sarotra sakanana


Kanjo, iny ianao fa tamy, tsy nisala fa nanantona
Ka nampivoara-mena ny endriko, ka hatramin’ny feoko nihantona
Ary dia ianao indray, no nampidi-dresaka sy tafa
Ka nangorana ny lohaliko, dia iny aho fa hafahafa

Dia kenda, tankina sy moana, sady tsy nahaloa-peo,
Toa te hirifatra hitsoaka, te hiantso hoe vonjeo
Tsy hita akory izay atao, rehefa tonga ny tokoa
Ka tsiky vendrana no sisa, arahin-tsafosafo loha


--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1020 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 16/10/2010 12:28)
Tena mifanojo ange izany koa inona indray no mampitsiky vendrana amin'izany!!!!Sa tsy nampoizina mihintsy no dia mampiantso vonjeo....Dia ahoana ihany ary izany....
nnjiva ( 19/10/2010 18:31)
Mahafinaritra be mihitsy ny fiaigan'ny asa-soratrao, mientanentana sy manavao be ny drafitra sy ngadony, tsy nampoiziny mihitsy marina ko' 😜, nefa hono alohaloha teo nitsaingotsaingo-dresaka ery! xD
Hobiana ( 23/10/2010 09:39)
Mamaky matetika ny tononkalo alefanao aho fa ity indray mandeha ity NIAKO be tamiko mihitsy, milay be!
Aynah ( 19/01/2011 22:19)
Dia nifandimpatra ny tongotro,
Ka nangovitra ny molotro,
Hay takatrao ny tao am-poko
Ventsoventso sy toloko...

Dia te hiantorantoraka,
Ary koa te-hamboraka!
Lay vonjeo saika atao...
Novonjen'ny molotrao...
Nanjary mamy toa tantely,
Na dia vetivety kely...
Asa anefa ny ao afara...
Na ho anjara, na ho tantara...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2319