NOFY RATSY (RASABOTSY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY RATSY
Raha ho sainiko tsy miato sy ho ventsoiko mangina
raha hodradraiko hanakoako iza anefa no hampangina ?
raha ny fahorian-tsaiko no hodradraiko ho ventesiko ;
mety hisy ihany ve teny mamy horenesiko !?

Ireo alahelo lava ve no hameno izany foko ?
ny androalavam-piainako ho temerin'ny toloko !?
Raha tsy hamiratra amiko irony volan-tsinana !?
Iza kosa no hiandrandrako, hitalahoako fanambinana ?

Raha miposaka ianao ry ingahy be masoandro ;
mifaly ny natiora fa maraina hono ny andro.
Fa nahoana kosa lahy no rahomainty lava,
no tandrifim-piainako nilaozan'ny mazava !!?

Nateraka 'hono aho, ka tonga ety an-tany !
Tsy nofantatro akory ny nihariana ahy izany
Nohariana aho izany , nohariana hitomany ?
Sa nohariana aho izany mba higoka koa ny mamy ?

Voaary aho izany, noho izy roa
Nohariana angamba aho ho amin'izy roa koa
izany hoe ity foko hanantena na ity foko izay hamoa
tsy dia ho ratsy lalan-dava, mba ho tojo koa ny soa!

Tsy havelako ianao, tsy havelako hitoloko
tsy havelako hitalaho satria ahy ianao ry foko
Ireo adim-piana-mankalao, ireo tanam-bokovoko,
hamapandaviriko anao , hohadinoiko tsy ho tsaroiko.

R P Z Mai 2013
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
911 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASABOTSY
Inséré par : RASABOTSY
Date : 02/07/2014 11:57
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136