aza avelanao (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aza avelanao

aza avelanao ho babo izany foko
raha toa hiangavy sy hamboraka fitia;
aza avelanao ho safotra toloko
raha toa maniry anao ho mpiaradia.
fa tolorinao tsikikely iray
ilay hany porofon-tananao handray;
fa tolorinao teny mamy koa
ho fanambarana fa ho iray isika roa.

aza avelanao ho fefika sahady
raha hitety onja sy handalo ireo sedra;
aza avelanao ho resy anaty ady
raha tojo ny sarotra sy lalana mideza.
Fa tolorinao ilay fahendrena
Hany azo antoka fa tena harena;
fa tolorinao tanjaka sy hery
mba hahazo toky fa tsy mba ho very.

Ravo
--------
Lien:
23 1
Fans: TosakaMg
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0108