Fara sy Koto (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fara sy Koto

Tantara fahiny ny anganon'i Fara
sy ilay anadahiny antsoina hoe : Koto,
nenti-nananatra dimby amam-para,
nenti-nitaiza taranaka hazoto.

Voalaza ho sembana moa izy ireo:
ny iray nalemy, ny iray tsy afaka hanao inona;
zaza roa samy sembana hono ka hoe
enta-mavesatry ny fiaraha-monina.

dia samy nanilika azy ireo avokoa
ny mpiara-monina sy mpiara-belona ;
ny ray sy ny reniny koa aza moa
nikasa ny handevina azy ireo mbola velona.

fa lasa nandositra i Koto sy i Fara,
nanao izay hevitra tsy ho hitam-bahoaka,
nitety vohitra, namakivaky ala...
izany tokoa no hoe olo-mitsoaka!

Dia fiainana lavitra ireo vahoaka
no niriariavan'i Koto sy Fara;
ny andro nihafiany tsy fantatra loatra,
fa ny fiafaràny no havoitra fa tsara.

...

Tsy izay manan-kilema dia ho faty hatrany
fa ireo izay tsy miezaka no ho lasa ambany;
I Koto sy i Fara tsy hoe olona ambony
fa nivoatra ho tsara noho ny herim-pony.

Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
Catégorie : Angano arira - Ahy
56 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126