HO AIZA IZAHAY? (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO AIZA IZAHAY?(Ray sy renim-pianakaviana niatrika ny zava-nisy,
25 Septambra 2025)
Reniny:
Efa lany, ange ry i dada, Ny kelintsika teto an-tanana e!
Raha mitohy ny toa izao Dia hanjaka indray ny hanoanana.
Vao maraina ianao dia lasa Hoe hikaroka izay mahasoa;
Ny hariva tonga ato an-trano Dia hita hoe reraka tokoa.
Fa herinandro vitsy izayTsy nahavimbina ho vatsy,
Raha mitohy ny toa izao Dia ho reraka eto ka ho faty.
Rainy:
Tsy misy miafina aminao, ry i neny, Fa lalam-be no fiainantsika;
Eny no toeram-pitadiavana. Kanefa he! ... iaraha-mahita :
Nobodoin’ireo mpitolona Fa izy hono hoe tsy ampy koa,
Na te hiasa aza ny tena, Tereny hambomba azy aloha.
Ny toeram-pivelomana, Tsy voakitika ny azy;
Ny antsika anefa izao Niova ho filalaovam-basy.
Lasa ady no iainana any Ka tsy ahafaha-miary ho fivelomana;
Fanimbana ny ho avy ve No anton’izato fitolomana?
Reniny:
Ka ireto ankizy, ange ho’aho rainy, Tsy mahalala tsy fisiana,
Ny an-tanana ity efa lany Ary tsy ho hay ny any aoriana?
Rainy:
Ny anio aloha ho vita ihany Fa izao no andeha lazao azy:
“Mianara tsara, hoe, rankizy Fa izay no antoky ny ho avy”.
Reniny:
Tena ekeko, tsy azo lavina : Ny fianarana no harena
Fa ny zava-misy kosa dia tena mampahonena:
Androany izao dia reraka Namonjy ny tany an-tsekoly
Fa fotoam-bery maina, Tsy nianatra fa samy nody.
Ireo mpampianatra azy, hono, Mbola noana ka namorona
Hevitra hentina mitokona, Dia lasa koa nandeha nitolona.
Izany izao no mampanahy sy tsapako fa tena lalina;
Miha mafy ny adim-piainantsika, Sady tena mahafanina,
Rainy:
Tsy hita ity re ramatoa
Fa tena henjana izany
Inona no azo atao,
iza izao no azo antsoina?
Reniny:
ka raha ny hevitro aloha
dia ny mivavaka hatrany
io no fomba tsara efa fanao
Sady tsy azo hadinoina.
Rainy:
Entano ary ireto ankizy Ka andeha hiaraka hanandratra
Hitalaho amin’ny Ray Ny vetso-po sy tonom-bavaka.
Reniny:
Andao rankizy a! Mitsangana! Mahereza! Matokia
Fa ny Tompo hitahy antsika Na aiza haleha, na aiza ho dia.
Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
