MPANAMORY (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpanamory

Mila mpanamory za-draharaha sy matihanina,
Tsy miolakolaka mihodinkodina hahafanina,
Fa tsotra sy mahitsy, tsy manao amboletra
Fa vonona hitondra ho eny ampita ny rehetra.

mila mpanamory manan-tsandry henti-mivoy
sady manam-paharetana fa tsy ho mora hamoy,
mila mpanamory mahasahy miroso hatrany
fa tsy ilay fatra-mpanembona izay lasa taloha tany.

mila mpanamory sahy miatrika vahoaka
fa tsy hoe sendra ady sarotra dia hirifatra hitsoaka.
mila mpanamory tena mahazaka sambo,
fa tsy mpilalao lakan-jahatra sao miteraka antambo.

Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
Catégorie : Sambo - Literatiora
233 1
Fans: TosakaMg
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ravo
Inséré par : TosakaMg
Date : 21/10/2025 10:22
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117