Ampidiro aloha ny tenimiafina
MPANDALO (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANDALOVorona iny, hono, ange
ka mijihina eny amorona eny,
misidina hanjohy alon-drano,
misodika hisangy onja.
Fa vorona iny ange
ka mpitazana fotsiny ihany,
mpitsidika ka milalao,
tsy tompony hay fa mpandalo.
Ravo na André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
202601150004
--------
Lien:
Catégorie :
Literatiora
Fans:
TosakaMg
