NOSIN'NY POETA (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nosin’ny poeta Ny peniko no andrasana
hitanisa ny aminao
dia ny hasoanao rehetra
ry nosin’ny poeta.
Fa ny ritsodritso-drivotra,
tsioka manafosafo;
ny topatopan-drano,
onja mandrotsirotsy:
mitety ranomasina
hamonjy anao aho,
ho tonga eo aminao
ka hiditra avy hatrany
tsy handona varavarana,
hikarenjy anatinao any
mba hianoka hasambarana.
Moa tsy izay no sitrakao?
Tsy hoe ho be mpitsidika
Fa ny ho maro mpankafy`;
tsy hoe hialàna liana
fa hanolotra fitia
amin’ireo havoana
fipoiran-doharano
sy ireo lohasaha
azo ampamokarana.
Ny peniko no sisa
Tokana andrasana
Mba hamisavisa
Ny aminao rehetra
Ry nosin’ny poeta.
Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO
--------
Lien:
Fans:
TosakaMg
