Onena (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Onena

Onena anao aho ry taniko
fa ny mahaolona tontolo*
no efa simba ao aminao,
ka na hiriko sady ho satriko
ny ho zanaka mpikolo
sy hanandratra avo anao
dia hitoetra ho nofy izany
ka onena anao aho ry tany.

jereo ity sandry mba mijoro
mba ho andrin'ankohonana,
vatana mihorohoro
zara raha misy hivelomana.
amin'izay ny fahalalana,
saina zara raha nianatra:
tsy afaka mandia sekoly
na dia maniry ho tafasandratra.

Onena anao aho ry taniko
ka na hiriko sady ho satriko
ny hanova anao ho edena
izay endrikao efa fahizay,
dia tsy ho tontosa, tena ekena
raha tsy mibebaka izahay.


Ravo, André Vonjitsoa RAKOTOARIVELO

*ny tian-kambara amin'ny hoe olona manontolo dia
-vatana
-saina
-fo
-fanahy
-fiaraha-monina
--------
Lien:
195 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ravo
Inséré par : TosakaMg
Date : 13/10/2025 08:51
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118