RITRA (Ravo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ritra Aoka hatsahatra ihany aloha ny savony
Fa tsy mety miova loko mihitsy izy izany
Ny rano koa moa ity lazaina hoe tsy misy intsony,
Fa ritra angaha ny ranomasina sy ranomamy?
Mbola hantenaina ve hoe indray andro any,
Raha ho ritra koa ny lakandrano Andriantany,
Fa izay rehetra nodiovina dia ho zary fotsy,
Sady ho maro indray ny handro eo Anosy?
Angamba, hoy aho, ny antenaiko tsy ho rava
Raha toa ka ny roran-dreo savony vava
No ritra ka miova ho herin-tsandry…
Angamba hiverina ho soa ihany Gasikara
Raha toa ka ritra koa ny volan’adala
Hentina handromotana hiady.
Ravo
--------
Lien:
Fans:
TosakaMg
