VOLANA (Ravo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VOLANA

Iny volana iny,
indraindray tinakon-drahona;
iny volana iny,
miharava koa indraindray
ary angamba mihitsy,
ny fisiany ho maizina.

fa iny volana iny,
tsy hoe maty akory;
aza koa heverina hoe :
rendrika matory!
fa sitrany ihany koa
raha toa io lanitra io
no hazava ombieny,
ho lanitra tinaratr'
ireo kintana kely.

angamba, volana ô,
lasa ianao nandao
saingy ny asanao rehetra
dia mitoetra izao;
ireo asasoratrao,
tsy hitoetra mangina
fa ireny no hampatsiahy
amin'ireo taranaka any aoriana
hoe: ny volana tsy rava
fa hibaliaka lalandava
rehefa io lanitra io mamiratra,
tinaratr'ireo kintana :
zaza maro no misitraka
fiainan-tsoa sy mendrika,
fa tsy misy iangaram-bintana;
ho zaza maro no hianoka
anaty volam-penomanana,
fa kosa ianao ry volana :
"Mandria am-piadanana"

Omaggio alla poetessa “volana”,
LUNA scomparsa l'11 maggio 2026 all'età di 73 anni
--------
Lien:
141 1
Fans: TosakaMg
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ravo
Inséré par : TosakaMg
Date : 13/05/2026 16:16
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0281