NY JALIKO (Rayane tsiarofitia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY JALIKO
Tonga alina indray ity ny atoandro efa madiva
Ka dimbiasan'ny haizina ny lemaka izay iva,
Ary hotsenain'izato hazavana avy amam_bolana
Izay noheveriko ho fanilo,nefa kanjo toa olana;

Raha dinihiko izato andro dia toa manjombon_dava foana
Toa mahatsiaro tena hoe:resy,raha sendra tafitohina
F'iny volana iny no hibitsiako sy hobanjiniko
Angamba efa fantan'eritreritro,ny rehetra koa voadinika

Aiza re no mba ahitako
Solon'izato tohana izay tao am_pahatro?
Fa feno jaly izato fiainako tsy ahita azy
No toa haizina no nandrakotra ny volanko izay ho avy

Fa nahoana no zarainao ry anjara
Ilay fo izay niara_tia sy koa adala
Ka hatonga jaly hameno haizina ny taniko
Fa nilaozam_boromanga kely hatramin'ny akaniko.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
981 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rayane tsiarofitia
Inséré par : Harifidison
Date : 18/09/2016 16:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014