Voady (Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
♥♥♥«voady»♥♥♥

Ny voady izay lazaina
Dia vokatry ny fo
Sy masaka ao an-tsaina
Ilay nifaneken'olon-droa

Ny fitiavana ombieny ombieny
Fa tsy hifandratra
No atao am-betinteny
Fa izay no mahafinaritra

Dia samy milaza ny am-po
Fa izaho sy ianao hiara-dia
Ka samy manambara izany tokoa
Ka tena hiombona fitia

Dia mangataka tso-drano
Amin'ireo Ray aman-dReny
Fa hanorina tokantrano
Ny tanjona kendrena

Tsy ho nofy intsony izao
Ilay fitiavan-tsika roa
Amin'ny andro voalohany
Sady tamin'ny fomba vaovao



Nanoratra Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric
Nom sur fb Mahery Ralandimanana
Telephone +261340508737
+261334556075
Misaotra antsika rehetra Tompoko
--------
Lien:
Catégorie : tsara - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
933 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Razafimanantsoa Lantoson Andry Eric
Inséré par : lantoandryeric
Date : 17/06/2019 09:09
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131