FETINAO ANIO RY NENY (RHAd)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ny manana fitiavana ny Reny
Miangatra ny tanàna tsy amihina an’i Neny
Fa fetinao androany, fotoana sarobidy
Voatokana, finidy isaoranay anao

Ny fiaianao rehetra voatolotrao ho anay
Ny fitiavanao mitoetra am-po hatramin’izay
Tsy vitan-dranomaso fa tamim¬-pifaliana
Ny sompatry ny ankaso aza valinao fitsikina

Ny mahafatifaty, sy reo nandratra fo
Mbetika nitosaka teny imolotrao
Niampy tsorakazo na tambitamby koa
Fitanty, salotr’aina rehefa potrak’iny aho

Tsy nisy ny antokona fa foana ny eny an-tanana
Niainan-tsika irery tanatin’ny fanjava
Totondry efa navokona hiaro ny fanana
Rehefa tojo olon-dratsy vonona ny handrava

Mandainga zay milazanao ho fanaka malemy
Fa tena feno Ianao tsy mba fanakalo
Hatraiza no hadirin’ny fitiavanao ry Neny
Refeso raha himalo fa amiko tsy miova hatramin’izao.

Lay Ray Mpihaino vavaka no italaoko foana
Indrafo mahampy hirotsak’aminao
Fa sitrako eny mantsy hitombo be ny taona
Hiririavan-tsika e! Sa ahoana hoy Ianao

RHAd
--------
Lien:
Catégorie : Tsingerin-taona - Fitiavana
2920 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RHAd
Inséré par : RHAd
Date : 18/05/2011 06:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013