Fitia hafa kely (RHTL (Rafahatelo))

Lu par RHTL
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolakandro tamin'ny telo no nahitako anao,
Teny an-tsena tamin'izay.
Tonga aho dia nanantona, tsy nisalasala akory
Ka namoaka vola sy finday.
HAKA SARY!

Minitra vitsy monja dia vita ny resaka natao.
Dia lasa isika nody , niara-nilomay.
Tonga tao an-trano, ,niaraka natory;
Ny andro koa nahamay.
NAHANDRO VARY!

Ny alina tontolo, nifampiondankondana (fiaina-mbaovao).
Faly loatra mihitsy , ka saika nanapaka rairay.
Fa hoe: tena sambatra, lavitry ny ory,
Izao ny fiainanay.
TSY MARARY!

Ny ampitson'iny, izaho nampandro anao.
Andro atoandro be mety ho tamin'iray.
Fa mbola maika handeha an-dakilasy hivory.
Handranto fahalalàna, hotonga mba mahay.
TE HIHARY

Faly tena faly aho fa nahazo anao
Akanjo vaovao, lobaka matevina (milay)
Ao fa tsy hoentiko matory intsony
Fa ataoko anaty vata, ho tsara petraka amin'izay.
TSY MALABARY


RHTL
11/03/2024
--------
Lien:
Catégorie : Marsa 2024
798 1
Fans: RHTL
Commentaires
hery ( 13/03/2024 04:21)
Misaotra niantsa.
Ilay fileID fotsiny no apetraka fa izay no nahatonga azy tsy nandeha.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RHTL (Rafahatelo)
Inséré par : RHTL
Date : 11/03/2024 16:56
Lectures
Lu par RHTL
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152