ADALANAO (Malala)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsikinao nambabo ny fo sy ny fanahikoTsaroako foana, tsy foiko sady tena mamiko
Tsiky iray avy aminao dia ampy hitrakako
Roa segondra monja dia mirana ny tavako
Rehefa sendra reraka iny aho any am piasana
Dia alefako any aminao ny saiko manontolo
Mihazakazaka izato foko miridana tsy tana
Velombelona ery ny aina, ary mitsangam-bolo
Adala e, mitsonika aminao hoy ilay hira iray
Satria tiko avokoa izay vitan-tsika hatrizay
Voatahiriko tokoa sy voarakitro ao am-po
Izay nifampizarana sy niarahan-tsika roa
Tiko akia indry a, tena marina mafy moa
K'aza ilaozana aho, fa ho very sy hamoy fo
Satria indry no ilay taratra hazavana ho ahy
Masoandroko sy mpamelombelona fanahy
14 Avril 2013 - BABO
Malala
--------
Lien:
Fans:
Safosafo