AZA HITAKO (Safo siaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy sakako toherina
Ny vezivezin-tsaiko
Mirenireny lava
Any anilanao tsy hainy.
Ny masoko aza koa
Vao sendra mba mikipy
Dia sarinao mitsiky
No hitako anoloana.
Asa re nahoana?
Fa minitra vitsy monja
No sendra nihaonantsika
Dia io nilavo lefona
Fa babonao ny foko.
Ononiko tsy satry,
Hagamoiko tsy hidoboka
Amin'olona nandalo
Fa vao mainka miaka-peo
Sy mitabataba lava,
Sanatrian'ny vava
Toa maty an-kazo tokana
Ka aina koa no fetra,
Tsy fongana ongotana
Ny kiry mafy faka
Manantena izay tsy hita.
Fotsiny, aza hitako!
Ho very anao fitiavako.

Safo siaka
04 janoary 2015
--------
Lien:
Catégorie : embona - Alahelo - Fitiavana
944 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Safo siaka
Inséré par : Safosiaka
Date : 08/03/2015 14:01
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136