FAFAKO ISA-MARAINA (Safo siaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy handainga aho f'efa nisy tovovavy maromaro
Talohanao notiaviko
Dia nisy koa niserana, nikiry na nandalo,
Nitia ahy fa nolaviko.

Matoa aho niara-dalana
Sy nisafidy ireny mba ho tiako tsara faritra
Dia nianoka hasambarana,
Niaina koa fitiavana sy mamy tiako haharitra.

Angamba mbola tsy haiko izany dikan-teny "TIA"
Fony tany am-panombohana,
Tsy nisy lanja akory ireny tana-nifangia
Sy ny hasim-panorohana.

Fa nony ianao no fantatro
Dia tsapako ho nisokatra ny mason'ny fitiavako,
Teo vao tena takatro
Ny dikan-teny "TIA", 'lay matetika filazako.

Niserasera isika ka nanjary nifandray
Fa mazàna tafaresaka,
Nidonaka firehatra ny foko nahamay
'Zay hatrizay nalefaka.

Ny farany aza tsy haritro
Nivalo taminao ity fitia misarin'olana
Ka dia nabaribariko
Fa saingy ianao nandrara sy nandà am-pahatsorana.

Mpinamana, hoy ianao, no mahatsara sady mety
Fa tsisy ny azo atao.
Ekeko na dia sarotra, tsy ho vita vetivety
Ny hoe "hamoy anao".

Fitiavan-tena ny ahy
Raha raisinao ho namana no mbola indray hamorona,
Hisisika, ho sahy,
Hikendry izay fitiavana natolotrao ho an'olona.

Aoka fa efaiko izany ngidim-panonerako
Hamafa anao an-tsaina,
Raha toa minia mivily dia minoa ianao fa ferako:
Fafàko isa-maraina.

Safo siaka 16 janoary 2015
--------
Lien:
1172 0
Commentaires
Arofanina ( 08/03/2015 15:06)
Zava-misy matetika fitranga no voarindra sy narafitrao ho kanto : Mankasitraka e !
Safosiaka ( 22/03/2015 12:11)
Ianao no tena ankasitrahina nankafy o!!!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Safo siaka
Inséré par : Safosiaka
Date : 08/03/2015 14:43
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137