Commentaire à propos de TSIKY SANDOKA

Revenir à TSIKY SANDOKA
Azrael666 ( il y a 2 jours)
Mankasitraka e! Nampiainga fanahy, ka ity no setriny:

NA TSIKY SANDOKA AZA...

Na tsiky sandoka aza...
Ny tsikinao miantoraka
Mitondra fifaliana mitaratra ny masoko
Nanosika ahy hamboraka
Fitiavana mivoaka mitsiry avy ato anatiko:
Atolotro anao...

Na angola sandoka aza...
'Lay feonao famantarana,
Andon-drotsirotsy tiako sady fy-ko,
Ka hianoka hasambarana
Aminao ny faniriako:
Tia anao ny foko...

Satria ianao...
Ianao no notsongaiko, hitambatra ny aiko,
Ianao dia lanto loatra,
Tiako sy lalaiko,
Homeko toerana voavoatra,
Honina ato an-tsaiko...

...Na tsiky sandoka aza...
SingampitiaSaropady ( il y a 2 jours)
....
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.009