TSY TE (SOLOFOARIVELO)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy te hamalan-kira amin'ny vazo sy mozika aho,
Fa diso fantatsika
ny feon-gitara tapaka.
Tsy azo arapadrapaka
amin'ny feo am-bavan-traoka.
Tsy vina ambany saoka
ny feo sy tonon-kira ,
Tsy azo asiana sira,
Na koa laroin-deviora
fa mila feo an-kandrina.
Mila anao mitandrina
amin'ny gado-natoraly.
Tsy te hahita loza
amin'ny valan-kira adala.
Iaraha-mahalala
ny rindram-peo arafitra ka
mila fitandremana.
..... S O L I M A H ....
11-08--2021
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
