Vavaka (SouAnni)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vavaka (SouAnni)

Tompo Malala tsy foiko eto an-tany
Ianao mahalala izay mahasoa ahy
Ampio aho Tompo, diovy ny foko
Amindrao fo ho mendrika Anao

Toroy ahy Tompo izay lalana halehako
Aza avela hanalavitra anao koa ny foko
Ireo toetra ratsiko esory avokoa
Ireo hatsarana ampitomboy ho soa

Ny fanantenana ampitoero ato anatiko
Ny famindram-po ampianaro ahy
Fenoy fandeferana ny fo amam-panahiko
Ny fitiavana kosa no ho andry ho ahy

Ampianaro aho Tompo ho zanaka manoa
Ampitonio ny foko, omeo hafaliana
Aza avela ho levona ny fanantenako
Ny finoako Anao no aoka hibaiko

SouAnni
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
892 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : SouAnni
Inséré par : SouAnni
Date : 13/07/2014 15:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136