Tany ao anaty afaka (TAHIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Madagasikara malalako tia
Ankehitriny dia feno tomany sy dia
Misy fandrobana, misy halatra
Tsy hita intsony izay marina sy tsara

Ny olona miahiahy isan’andro
Mivelona amin’ny fanantenana sy andro
Ny rano sarotra, ny sakafo tsy ampy
Ny fiainana an-dalambe, lasa misy harena tsy ampy

Ny mpianatra mitady ho avy tsy hita
Miezaka isan’andro kanefa mitaraina no tsy vita
Fa ny mpitondra fanjakana toa tsy mihaino
Mandany vola ka ny vahoaka no mijaly miala maina

Ry Nosy feno harem-pirenena ô !
Aza avela ho feno fahoriana
Ka aoka isika hifampitantana hatrany amin’ny marina
Dia hiverina indray ny faniriana

DAFY Hagamamy Tahiana (10 Octobre 2025)
--------
Rohy:
121 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TAHIANA
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 10/10/2025 07:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.014