FOLAKA IHANY (TANAMASOANDRO)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lakan-jejo aho fahizayseo tsy mba natahotra onja
nihebohebo eny tena nisho milay
niseho ho mafy sy mafonja
tsy mba fahoriana ahy ny mitia
fa toa zary mandeha hoazy tsisy bedy
faly ravo eny nisoma sy nandiha
izay tia na tsy tia tsy nasiana kredy
izay nifanitsy tamiko toa tsy mba nampiraika
izay tena tia toa nampitondrako takaitra
izay nandalo toa samy nitondra izay anjarany
izay teo samy nahazo ratsy avy taty amiko ny tantarany
ela noho ela izao lay sambo tsy natahotra onja
no anjary lasa toa mataotra mita rano
satria tojo an'ilay tafiotra sy rivotra mafonja
ka redrika ihany sy maty andrano
izaho ilay mpilalao fitia injao no lasa
toa zary sangisanginy sy kilalaony
izaho ilay tsy nisafidy izay nomena latsa
no injao fa sendra tapona ny daomy
folaka ihany aho ankehitriny
satria nisy iray nahay nanitsy iny dihako iny
folaka satria tojo ilay tena tiany fony
no indro fa voatsipaka tena ambava fony
teo vao nitamberina tao antsaiko ireo fahiny
hoe mafy kay ny nozakainy iny olona iny
niseho nahay namindra izaho kay solafaka ihany
fa tratran'ilay todim-pitia;valiny ny rehetra nampitondraiko tomany
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana