ASA RE! (Tinah mahefahaja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa re! Oviana vao hilamina Zato ady pilitiaka tsy andro tsy alina
Fa efa mahantra sy sahirana
Mitady izay mahatoky mba hifikirana
Asa re! Inona no hitranga
Raha ny tsolotra foana no harangaranga
Hibahanan'ireo fitaka sy lainga
Na eny ambony latabatra na mpamadi-bainga
Asa re! Firy no ahatsapa tena
Rahefa fongana ireo harem-pirenena
Efa trotraky ny aditsaina sy hila ho vaky loha
Vao mody hilaza hoe :"diso tokoa!"
Asa re! Hatraiza izato fianarana
No omena ireto ankizy tsy ampy fananarana
Mba avaratra ihany nefa ambany fisainana
Mirefarefa @ tany sy mamotika fiainana
Asa re! Ho aiza ity fandrosoana?
No mahazo vahana sy mahabe finoana
Ka dia nampiova tanteraka an' iMadagasikara
Ka zary tsy mino ny lahatra sy anjara
Asa re! Fa nahoana mihitsy
Ny zanak'olombelona no tsy mitsitsy
Fa toa zary manao fiainambimby
Mampiana-dratsy ny fara sy dimby.
--------
Lien:
Catégorie :
Politika - Tanindrazana
Commentaires
z'andrygasy
(
15/06/2015 09:44)
Ho an'i Tina
Tsy asa, fa ny toe-tsaina no mila ovaina
Aza manaiky hambakaina
Mahereza rahavana f'aza mitaraina
Fa tsy maintsy ho avy ny maraina
Tsy hisy intsony ny tsolotra
Raha ianao tsy manolotra
Tsy ho foana ny harem-pirenena
Raha ianao tsy tia tena
Aza kely finoana izany
Fa ny fandrosoana ho avy ihany
Raha ny fianarana indray
Ankino amin'ny RAY
Raha ny dimby sy fara
Aza manahy fa mbola tsy tara
Manantenà foana ry Tinah Mahefahaja
Fa na mpirafy aza hifanaja
Tsy asa, fa ny toe-tsaina no mila ovaina
Aza manaiky hambakaina
Mahereza rahavana f'aza mitaraina
Fa tsy maintsy ho avy ny maraina
Tsy hisy intsony ny tsolotra
Raha ianao tsy manolotra
Tsy ho foana ny harem-pirenena
Raha ianao tsy tia tena
Aza kely finoana izany
Fa ny fandrosoana ho avy ihany
Raha ny fianarana indray
Ankino amin'ny RAY
Raha ny dimby sy fara
Aza manahy fa mbola tsy tara
Manantenà foana ry Tinah Mahefahaja
Fa na mpirafy aza hifanaja
