"NIVAVAKA AHO OMALY" (Tolotra Misantatra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo ampandinihana ny ratsiko efa vita,Teo ampamisaina ny misiko tomika aho,
No tonga saina tampoka!
Potraka niakapoka nitsaoka ilay Tsitoha;
Nitomany fatratra nifona tao am-po fa...
Hay ny zava-bitako tsy faneho masoandro.
Ampitso ihany ny andro,
Niarina aho kinanjo tampoka avy teo.
Tao an'eritreritro no reko nisy feo malefaka nilanto.
"Hanohy ny zava-dratsy sa hiova ka hiato?"
Voafihiko ny tratrako.
Teo koa izay vao fantatro,
Fa hay ka hatrizay ny Tompo no naratrako.
Neniko ka neniko! Hoy ny ambeti-teniko
Loza fa ny tsarako rehetra hay afeniko.
Nanjaitra tonom-bavaka aho no sady nitomany!
Hiverina hivavaka aho manomboka eto androany.
Tolotra Misantatra (Zavona Rakoto) Antsirabe 24 desambra 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fibebahana
Fans:
Djess - ZavonaRakoto
Commentaires
Djess
(
25/12/2025 06:47)
miovaova ny anarana an
