VAVAKA (TRADE)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andriamanitra ô tahio, izay malalako izayFa midadasika ny elanelan-tany mampisaraka anay
Ka ny tànanao mahery no ho tànako havia
Hitantana azy anaty tsiahin'ny fitia.
Ianao hiaro azy eny, hanampy azy amin'ny sarotra
Tsy sanatria mandidy anao fa mba miady varotra
Fa efa fantatrao ihany ny fitiavako azy iny
Izay tia hono adala, k'aza dia omena tsiny.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana