MAFINARITRA AHY... (TrMich)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafinaritra ahy ny miresaka aminao
Na maraina na atoandro na hariva toy izao
Indrindra rehefa izaho iny vizaky ny andro
Ianao foana no hany mpampijoro ny masoandro...


Tsotra dia tsotra ianao ka tsy dia manafina amiko
Nolazainao avokoa ny niainanao rehetra...
Na ny mafy na ny soa, tsy nasinao fepetra...
Hany ka, lasa niantefa tany aminao..., ny faniriko


Babonao ny tenako,


Sarotra amiko ny anafina ny foko izay mitia,
Sarotra amiko ny andainga aminao ry olon-tiako
Fa tany aminao ny foko no mba te hiara-dia
Ka ianao ihany anie, no mba tena fifaliko...


Tena tiako ianao, nahasaropiaro ahy
N' inona n' inona niseho, ianao no tato an-dohako
Ny fijerinao nibanjina, efa nambambo ny fanahy...
Ka raha ianao no teo anilako, nolazaiko ny ankohonako...


Mafinaritra ahy oa ny miresaka aminao...
Efa niriko hatramin'ny ho teo anilanao
Efa nafoiko ho anao ny fitiavana nananako...
Indrisy anefa, nolavinao 'lay fangatahako...


Fa mbola mafinaritra ahy ny miresaka aminao...
Na dia nisy ary ny zavatra nanahirana ny saiko
Na tsy anjara aza, satriko foana hitafa aminao...
Ka ho mpinamana fotsiny isika mandra-piala ny aiko


(25/08/16 - 23:45)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1355 1
Fans: michael3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : TrMich
Inséré par : michael3
Date : 26/08/2016 02:44
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147