Raha nisy ... (TrMich)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy ny teny izay navoakan'ny vavako,Dia teny manandanja, teny avy ao am-po.
Raha nisy ny teny nomeko anao rahavako,
Raiso an-tanandroa, satria hoantsika roa ...
Raha nisy voninkazo 'zay nalaiko ho anao,
Raha nisy redirediko ka lasa asa-soratra,
Raha nisy ny tanako efa teny an-tananao
Dia milaza izany hoe ny masoandroko mihiratra.
koa raha misy ny alahelo 'zay anananao amiko,
Raha misy hasarotam-piaro mankarary ny fitia,
Raha misy ahiahy any momba ny fiavako
Matokisa ahy ianao, ny aty dia hodoria ...
(29/09/17- 23:41))
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
michael3