Ry Namako Fahiny (TrMich)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any 'zay ianareo ry namako fahiny
Eto aho maminavina ny zavatra efa vita
Mangina irery aho ato ka aza homena tsiny...
Raha mahatsiaro anareo, lavitra ahy tsy hita...


Mieritreritra eto sisa no azoko atao
Fa ny fiainana mitohy, mitohy eny ihany
Nisampana ny lalana, fa tsy isika no nifandao
Ny mahasoa no tadiavina, ny mahasoa hatrany hatrany...


Tadidiko ireo adalana, niarahana niainana...
Nisy ny mampitsiky irery, Nisy nampietsim-po
Tantara sisa ireny, mahalasa ny fisainana
Sarobidy ireny, ka tsy manam-paharoa.


Raha ny sitraky ny foko , ho haverina indray
Ao am-po ireny, tsy ho adino fa mitoetra
Ny hany faniriako dia fintiniko ho teny iray,
hiaraka ho tafita isika rehetra rehetra...


(08/11/16-17:30)
--------
Lien:
Catégorie : embona - Eritreritra mandalo
1268 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : TrMich
Inséré par : michael3
Date : 08/11/2016 14:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014