nankaiza (Tsikiniaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANKAIZA?
Nankaiza ireo vorom-pisioka
Mpiredona ny vazon’ny ala
Nankaiza fa toa tsy hita hita
Sa tojo toerana nahatamana

Nankaiza ireo felan-tatamo
Voninkazo haingom-parihy
Eny fa na dia ilay rano
Toa foana tsy misy izy ity

Nankaiza ilay hazo naniry
Fialofana fialana sasatra
Toa solofony sisa mitsiry
Fa nosomparan’ireo olo-tsy fantatra

Nankaiza diavolam-pararano
Lohataona dimbin-dririnina
Ilay ranon’ando manganono
Zary foana tsy nisy banjinina

Nankaiza iny kantonao iny
Ry gasikarako mpitoka-monina
Nankaiza fa to any an’ny vahiny
No reko matetika rehefa tononina

Nankaiza ianao ra valin-tanana
Tambatrerin-dramalagasy
Fihavanana latsak’andalana
Miandry mpitsimpona mangasiasy

Nankaiza ilay fony rakom-pitiavana
Ilay lokalokany nampandry hadrisa
Foana izy angamba matoa tsy tazana
Ka dia mipetraka tantara no sisa


tsikiniaina
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
629 1
Fans: tsikifab465
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsikiniaina
Inséré par : tsikifab465
Date : 29/04/2018 15:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153