VEHIVAVY (Tsiory RAKOTO)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanaja fa tsy hoe famitaka
Sarobidy toy ny volamena
Vehivavy fa tsy hoe fanitsaka
Manan-danja toy ny harena

Voalaza ho fanaka malemy
Fa sahy miatrika ny mafy
Amiko izy toa an-dReny
Mitovy hasina amin'ny ''bavy''

Tsy mendrika azy ny herisetra
Fa tanterao ny eritreriny
Atsaharo koa ny sedra
'Zay nampisokatra ny feriny!

Ka tohano mba tsy hianjera
Ny lanja ananany ampiakaro
Fa ny mira zo sy mira lenta
Zava-misy fa tsy angano

Tsiory RAKOTO, 08 Martsa 2022
--------
Lien:
Catégorie : fananarana
443 1
Commentaires
Tsiory Rakoto ( 12/07/2022 12:53)
Mankasitraka amin'ilay antsa ????
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Tsiory RAKOTO
Inséré par : Tsiory Rakoto
Date : 04/07/2022 09:51
Lectures
Lu par ikalamako
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142