POETA (TSIRY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POETA

Fa tsy ho fantatrao ny tombany
Na zay mety mombamombany
Tsy ho tsapanao ny fatrany
Sy zay rehetra mety ho tanjany
Eny,
Ho sary mazina aminao
Fa ny endriny mangina
Nefa toa misary ihany
Misiterim-pifaliana

Nefa izao no tadidio

Fa ny bitsikin’ny fony
Na dia teny iray aza
D’efa ampy hanehony
Zay rehetra tsy voalaza

Ka ho fantatrao tokoa
Ilay hoe tsiambararoa
Fahasambarany rehetra
Nokobonin’ny poeta

TSIRY
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
962 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : TSIRY
Inséré par : tsiryharena
Date : 01/07/2013 20:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152