ALAO HERY! (Vetsomamiratra)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mazàna ianao taraina fa hoe ory sy mijaly
Rakofan’aizim-pito ka tsy mba mety faly
Tandrifin-drahon-dava ilay masoandrokelinao
Toa sampona avokoa izay kinasa hoe atao

Saingy izao:
Aza kivy foana na hoe handeha hamoy fo
Fa hampanjakao amin’ny fiainanao I Jesoa
Dia hotsapanao ny fifaliana sesehena
Ary hamiratra aminao ny tara-pandresena

Dia:
Ho hotsapanao anaty, ilay hasambarana tsy lany
Tsy hanaloka anao akory ny dindon-tsento sy tomany
Fa hoparadisakely, ho fifalina lalandava
Ny ratra-po sy alahelo, ho potika sy rava

Vetsomamiratra(Tsiry Todisoa)
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
177 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vetsomamiratra
Inséré par : vetsomamiratra
Date : 26/12/2023 12:38
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134