Anatra (Vetsomamiratra)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a!
Ny teny tiako hafarana
Fidifio’zay ho namana
Fa misy izy ireny
Mikendry izay hahavoa
Handatsaka amin’ny lalina
Haniry anao tsy ho tafarina

Dia halaviro ihany koa
Ny ditra tsy hahitana soa
Fa hamarina an-kady
Hamotika ny ho avy
Ka mba tsy honeninao
Dia halaviro sy hialao
Ny fisotroana, fidorohana
Izay fanendry mamohehitra

Ny fahendrena no tazomy
Araho fikirizana sy ezaka
Ny fianarana indrindra
‘Lay lova tsy hay afindra
Namana tsy hamitaka
Koa halao hery
Mazotoa dia miezaha!
Fa ao ambadik’io, ilay fandresena miezinezina

Vetsomamiratra(Tsiry Todisoa)
--------
Lien:
Catégorie : Fananarana
291 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vetsomamiratra
Inséré par : vetsomamiratra
Date : 02/11/2023 07:45
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137