MBA TIAVO (Vetsomamiratra)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko fa tsy mora saingy hivalozako eto anio
‘Reo mafy izay tsy zaka nampitondraiko anao
Hifonako etoana ireo jaly nampizakaiko
Mamelà ahy ry tiako, meteza sombinaiko!

Fa tsy hovitako raha hisampana
Ka hotapitra eto ny amintsika
Tsy vitako ny hiaina tsy misy andry
K’azafady re ry tiako!
Mba tiavo farany, aza havela hangahiahy
F’efa neniko ny lasa, fa ny hevitrao no asa!

‘Lay nirinao hatrizay no efa indro manoloana
Tsy handatsa-dranomaso intsony fa hanafaka ireo saona
Hikosoka ireo ratra, hamafa ny tomany
Sanatria tsy lainga izany
Fa tena vokatry ny fo
Am-pitiavana tanteraka
Koa meteza re ry aiko,
Hamela izato foko efa reraka!
Tena tia ka miangavy…..mba tiavo!

Vetsomamiratra(Tsiry Todisoa)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
305 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vetsomamiratra
Inséré par : vetsomamiratra
Date : 14/11/2023 08:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134