SATRIA TIA AHO (Vetsomamiratra)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Leferiko ny ditra, ny hitsakitsakao ry tiako
Leferiko satria ny anilanao no hany fifaliako
Na mazàna mampirotsaka tomany
Tsy maninona hiafiko, holeferiko eto ihany

Na tsy misy intsony aza izay mba teny mamy
Dia efa ianao no tokako, nekeko teto an-tany
Tsy ho kivy aho hanantena, hiandrandra fiovana
Hoe’lay haizin-kitroka iny, hotarafim-pahazavana

Na dia masorena anao aza, ny fisiako indraindray
Tsy ho leo akia ny foko a, fa hanantena indray
Ilay maraina vaovao, hitosinao eto an-tratrako
Ka hanaisotra indray, izato feriko sy ratrako

Tsy miova ilay voadiko hoe na ho ratsy na ho tsara
Dia ianao irery ihany’lay hany tokana, anjara
‘Lay hany tiany ny foko, eken’ny fitiavako
Satria tia aho, tia anao rahavako

Vetsomamiratra(Tsiry Todisoa)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
387 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vetsomamiratra
Inséré par : vetsomamiratra
Date : 23/11/2023 14:00
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225