ho avy (Vialy)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mbola ho avy indray andro any
hifanena indray ny fo
mivadibadika ny tany
aza kivy,mandrosoa

lavitr'ezaka ny dia
be ireo olana handalo
ho tojo ahy, tsy sanatria
haizim-pito hampimalo...

aza kivy ianao malala
ilay anjely ho anao
toy ny oram-panala
hamando ny tany karankainao...

tiako ianao, kanefa indrisy
tsy maintsy hifarana ny antsika
ampy loatra ireo tsiny
sy ny ady mangatsiaka...
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fisarahana
818 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Vialy
Inséré par : vialy
Date : 22/06/2013 12:17
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142