Fahatsiarovana (zoarimamy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho voasoratra tsy maty ato am-poko ny andro androanySatria andro hanekeko fa ianao no olon-tiako
Hizarako ny alahelo, ny tsiky sy tomany
'Zany vetsovetsom-poko ary koa ny fifaliako.
Mitamberina ny tsiahy 15 taona lasa izay
Izaho sy ianao nifankahita teo an-tokontaninay
Kisendrasendra ve sa lahatra, iza moa no nanam-po?
Fa any volana , any taona ho mpivady isika roa?
Ny zava-mandalo tsy maintsy sedraina dia toa zava-poana
Satria 'zany foko dia vonon-kifaly @ fanantenana
Tsy maintsy ho tonga ilay andro malaza andrasako foana
Ny tia sy ny tiana hitambatra ho iray ary tsy azo vahana.
Ambonin'ny zava-drehetra
Ny fitiavako anao tsisy fetra
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana