Nampiditra : iheriarilala
Daty : 27/10/2022 04:50
Nijery : 635
Tononkalo: 8 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Heriarilala

You are here: home > Vetso
Heriarilala Andriamamonjy

RATSIMBAZAFY Heriarilala Andriamamonjy
Mpanoratra, mpikambana ao amin’ny Havatsa-UPEM nanomboka tamin’ny volana Desambra 2015. Nandalina momba ny Haisoratra sy ny Kantom-bolana malagasy teny amin’ny Anjerimanontolo. Mpitsara lahatsoratra sy mpandalina ao amin’ny Tranonkala Poetawebs nanomboka tamin’ny volana Mey 2015.
Efa nandray anjara tamina hetsika maro momba teny sy haisoratra malagasy
- Febroary 2020 : Fampiofanana momba ny fitsipi-pitenenana ny teny malagasy tao amin’ny Ivo-Kolo CEMDLAC Analakely, niaraka tamin’ny vondrona Teny Gasy 2.0
- Febroary 2021 : Fampiofanana mitondra ny lohateny hoe "Andao tsy handiso intsony", niaraka tamin’i Razafimahefa Julien, hetsika nokarakarain’ny Teny Gasy 2.0 tao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy Antsahavola
- Jona 2021 : Nikarakara ny hetsika « KARAJIA » tao amin’ny pejy Facebook Ny Taiña Samy Taiña Hiany : fampianarana fiteny betsileo izay nizarana voambolana iray isan’andro miaraka amin’ny heviny sy ny fampiasana azy ao anaty fehezanteny.
Efa namoaka asa soratra tamina boky samihafa
- Felan-tatamo-TAPIKAN’NY FANAHIKO : boky manokana ahitana sombintantara sy tononkalo
- ZaraFanahy XI : boky niarahany tamin’ny Faribolana Sandratra
- TOMBOKAVATSAN’NY HAISORATRA : boky niarahany tamin’ny Havatsa UPEM
- SORAPIAINANA 1-2-3 : boky mirakitra fandalinana tantarana mpanoratra niarahany tamin’ny Tranonkala Poetawebs
- PELASOA : boky tononkalo sy sombintantara niarahany tamin’i Hiaka, Ny Tsiaro ary Ramatoakely Ivo’Art
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/heriarilala
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143