Hampiditra sary Nampiditra : Andrianary2
Daty : 03/12/2025 21:06
Nijery : 248
Tononkalo: 8 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Ny Andrianary

Iza moa i Ny Andrianary?

ANDRIANARISAINA Maro Zo Odon no tena anarany, teraka ny 08 Desambra 1997 tao Tsiroanomandidy izy. Mitondra ny solon'anarana hoe "Ny Andrianary" eo amin'ny tontolon'ny zava-kanto izay ahitana azy.

Nanomboka nanoratra ny taona 2015, kilasy faha-11 (Première). Efa niaka-tsehatra ny 11 Jolay 2017, niaraka tamin'ireo tarika Haintso telo (H3) izay ivondronany hatramin'izao.

Ankoatra ny zava-kanto, rehefa afaka ny "baccalauréat" sokajy C izy ny taona 2016 dia nanomboka nianatra teny Ankatso ny taona 2017, tao amin'ny "facultés des sciences", sampana "mathématiques et informatique ", tsy naharitra tao anefa fa afaka "concours polytechnique"( ESPA VONTOVORONA) ny taona 2018 ka nanohy izany tao amin'ny sampam-pianarana (Information Géographique et Aménagement du Territoire). Maro ny zavatra efa nataony, toy ny mampianatra ankizy tany amin'ny kilasy ambany, ankizy hanala fanadinana baccalauréat, ary koa ireo zandry hanala "concours Polytechnique" toy ny fikambanana UFIB, MaroSoa,... Tia manampy mpianatra zandry ny tovolahy.

Raha fintinina ireo sekoly nianarany:
-Ecole ROVA tao Tsiroanomandidy, efa tsy misy intsony
-Collège Trinitaire Sainte Marie tao Tsiroanomandidy (2004-2013)
-Lycée d'Enseignement General Tsiroanomandidy (2013-2016)
-Ankatso (2016-2017)
-ESPA (2019-2024)

Ny solon'anarany "Ny Andrianary" dia azo avy amin'ny tena anarany "ANDRIANARISAINA" fa noho ny zava-kanto izay tsy saina tanteraka no mandrafitra azy dia nafohezina ho ANDRIANARY izany anarana hahafantaran'ny maro azy izany. Tsy tena anarana anefa fa solon'anarana dia nasiana hoe "Ny" teo alohany ka raikitra teo fa Ny Andrianary ary no solon'anarana vohiziny eo amin'sehatry ny kanto. Anisan'ny hevitra nanosika azy hitondra io anarana io moa ny famoaboasany azy tahaka izao:

Andianary=Andriana+Hary

Andriana: Toerana ambony raha ny tantara, nohajaina
Hary: Nisy nahary, nitoritory ka teraka toa tsy noforonina nefa niangaliana fatratra. Izay midika fa tsy asan'ny saina irery fa nisy ny herim-pamoronana tao toy ny aingam-panahy...

Hafatra hoy izy:

Marina fa mandroso ny technologie, tsy tana ny rivotry ny fanatontoloana saingy tsy tokony ho adino fa ny teny Malagasy no fitaovana voalohany nahaizana ny zavatra rehetra. Io no tenin'ny Raiamandreny nampianariny anao ka tsy nahay fiteny hafa ianao raha tsy teo io. Ilaina ny fahafehezana ny hafa fa ny tenintsika ihany koa dia tokony hajaintsika, velomintsika. Hankafizo ny asasoratra malagasy. Tohano ireo mpanoratra mivohy ny literatiora malagasy".

Raha toa ka liana hanaraka ny asasorany dia tohano ity pejy ity.

Misy hoe Ny Antara na Ny Antara Andrianarisaina izay mpanoratra efa ela, ka mety hahagaga anareo hoe iza iny? Izaho ihany iny fa efa taloha. Nisy fiovana ny solon'anarana ka lasa "Ny Andrianary" hatramin'izao.

Page Facebook :
https://www.facebook.com/profile.php?id=61584453369515

Mirary soa tompoko!
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-andrianary
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119