Hampiditra sary Nampiditra : NyAnNyTena
Daty : 08/08/2025 07:49
Nijery : 190
Tononkalo: 1 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Ny An'Ny Tena

Ny An'Ny Tena na RANDRIAMANANTENA Feno Hasina Nambinintsoa dia mpanoratra mikambana ao amin'ny fikambanana Havatsa Upem nanomboka ny taona 2020.

Avy any Mangatany Avaratra / Sadabe, Distrikan'i Manjakandriana ny fiaviny fa mipetraka ao Antananarivo izy hatreto.

Misehatra amin'ny fanoratana TONONKALO, SOMBIN-TANTARA, TANTARA FIHAINO, TANTARA FISEHATRA, SNS izy ary efa namoaka ny boky LAKAN-JEJO ny taona 2025 izay boky mirakitra TONONKALO ranoray, mitantara ny fiainana hatrehan'ny olona eo amin'ny andavan'androm-piainany.

Ny Hafatra ho antsika mpamaky dia ny hoe: "Ny An'Ny Tena aloha lalaina"

Mankafiza finaritra!!!
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/ny-anny-tena
Tononkalo ( 1)
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011