Hevitra momba an'i ny eja

Hiverina amin'i ny eja
DadaRabe ( 22/02/2004 14:29)
Miarahaba an'Ny Eja,

Tsy hitako ny fomba amaliana ny taratasinao satria tsy zatra manoratra eto aho. Omeo adiresy.

Ny namanao DadaRabe
nyeja ( 17/05/2004 16:53)
mahafaly ahy ny mampandre anareo namana fa efa mivoaka ny tononkalo vaovao nosoratan'i Ny Eja ary hirain'i TOVO J'hay mitondra ny lohateny hoe" NOFY LALINA" sy ny "AZA AVELA" ao amin'ny album "TIA T'KOA" ; Ankafizo hatrany ny kanto tena malagasy e ary mirary soa indrindra antsika.
aladin ( 28/07/2004 18:37)
Dia mankasitraka anao ry ny eja.Anisan\'ny mpnkafy ny asasoratrao aho ary mamporisika hatrany ny ahalasa anao amin\'ny lavidavitra kokoa.
rado
Mamour ( 12/08/2004 08:34)
ny tononkalo sy tononkira soratan'i ny eja dia tena tsara ary moraraisina ka noho izany tohizo fa mahafinaritra
nyeja ( 29/08/2004 12:52)
misaotra be dia be amin'ny fankasitrahana sy ny fankaherezana
nyeja ( 04/09/2004 17:41)
misaotra an'i mamour, aladin ary koa i thaniat 2003 aho, mamy kely an!
Ny Eja
nyeja ( 04/09/2004 17:42)
tsy adinoko ianao ry dadarabe misaotra e
rafilozofy ( 07/09/2004 16:40)
Manahoana daholo aloha e!
Inona moa fa dia mirary soa ho an'i Ny eja amin'ny lafiny kanto rehetra izay antenaina fa hamokatra foana tokoa ary ho lasa lavitra. Izaho dia tsy misalasala manoratra izany satria mpiara-miasa aminy sady mahita azy isan'andro, vehivavy tsotra sy sariaka ary kanto ny aminy manontolo. Bonne continuation!
jessica ( 09/09/2004 10:42)
Tsara tena tsara tokoa ny tononkalonao. Ary mety ho tena tsara raha tena mitady feony mendrimendrika kokoa
Mazotoa e
sweetey ( 09/09/2004 15:50)
Kanto dia kanto ny tononkalo soratan'Ny Eja, hainy loatra ny mifidy teny, tsotra nefa afaka mampita hevi-dalina, vakio tsara ange ireo tononkalo ireo e : ho hitanao ao ny fiainan'Ny Eja, ny fiainanao, ny fiainako...
Raha izaho no kanto, dia hamangy azy anaty nofy aho ....
methode ( 28/10/2004 01:34)
Miala tsiny amin'i Ny eja fa diso ny fomba nitadiavako ilay ps kay dia izay no tsy nahitako ny tononkalo!!
mampikanto ( 30/10/2004 07:06)
Miarahaba an'i Nyeja. Aiza kay no mety ahitana ireo asa soratrao voraikitra ho boky. Mankasitraka e!

Mpankafy ny asa soratrao!
nyeja ( 05/11/2004 07:02)
dia mankasitraka anareo hatrany mitsidika ity pejy momba ahy ity sy manome hevitra , sitraka enti matory hono ka hovaliana raha mahatsiaro, ny ahitanareo ny momba ahy bebe kokoa dia mahafaly ahy ny manasa anareo hamangy ny tranokalako www.nyeja.new.fr mbola tsy tena tonga lafatra tanteraka saingy dia raiso amin'ny foko manolotra anareo azy ho anareo rehetra.
arsenesolo ( 08/11/2004 10:06)
je t'aime ny eja
angegasikara ( 27/11/2004 11:04)
Salut ny eja!
Je voulais juste de te dire que tes poèmes ainsi que les paroles de tes chansons sont merveilleuses.
Elles m'enchnatent et je me sens concernée par tes poèmes.
Merci de me faire rêver.Bonne continuation.
Une admiratrice Ange.
rafilozofy ( 27/11/2004 13:37)
Ny eja,

Taibe io arsensolo io, sahiny izao ny mi-déclarer amour aminao, nefa tssss. Izao vvavy rht izao ange e.
IMbecile!!!!!
nyzo ( 01/12/2004 17:20)
Miarahaba an'i Ny eja ! Mahafinaritra ahy ny asa soratrao ka dia mandrisika anao hatrany hanohy ny asa soratra. Hainao ny maneho ny fitiavana tsara rindra sy ny maherivaika ary milantolanto fa maniry indrindra aho ny hahita sangan'asanao mikasika ny fitiavana.
Mirary soa
nyzo ( 01/12/2004 17:23)
Mikasika ny fiainana fa somary diso aho teo am-panoratana; izany hoe tiako ho hita ny fanehoanao ny fiainana amin'ny tononkalo.
tsarfanah ( 12/12/2004 08:01)
ny eja
tsara ny zava bitanao, mpiara miasa aminao aho, fantatrao tsara ary mino aho fa fotoana iray afahana maneho fankasitrahana anao eto amin'ny sehatra toy itony .
nyeja ( 12/12/2004 08:25)
miarahaba anareo rehetra eto aho,
misaotra sy mankasitraka anareo eto aho amin'ny hevitra omenareo ny momba ahy, sitrako sy teliko tokoa ka dia saotra era po sy era tsaina no atolotro an'i zo, tsarfanah, angegasikara, mampikanto, methode, sweety, jessica, aladin, dadarabe , rafilozofy, ary na dia ny an'i arsenesolo aza ,
ny zavatra mba angatahiko aminareo dia mba hanome isa amin'ny tononkaloko satria dia manjary ireo olona tsy matotra sy mpandoto rano no manome isa azy ka mampalahelo ny isa ataony ao indraindray satria dia tsapako fa tsy mendrika ny zava bita sy ny fiezahana ataoko .
misaotra anareo mahazo ny hetaheta-poko aho .mamy kely ho anareo
Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119