Efa tojo endrika izy (Aingampanahy Feon'ny Saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA TOJO ENDRIKA IZY…

(Valin-kafatra ho an’I FX MAHAH)

Tonga felana eto i-nofo ny endri-tiana nohazainy
Izay narandram-boan’ny tsiaro tao ambadiky ny omaly
Tonga nofo vonim-pelana eto imaso ilay lalainy
Tojo endrika izy manko, o ny vavaka nivaly

Ary hitany eto ianao, tsy kisary an’eritreriny
Tsy fanahy mandriorio any ambadiky ny tsiahy
Hofihininy eo an-tratra amin’ny ali-manireriny
Nofo vonton-kafanana , fa nasalotra fanahy…

Amin’izao ny hirahira kalo tsy afaka eo am-bavany
Dia ny endrikao, tsy iniany, voatanisa ho litania
O ry nisy nampitsiry sy nahamamo ny fitiavany
Ao anatiny ao ianao , voarakitra doria

(…)
Eny tojo endrika izy ary sambatra ny fony
Saingy toa tsy tandritandriny amin’ny molony mitsiky
Fa ianao ilay noravana , no indro nampamelam-bony
Ny fitiavany nitsiry teto an-tanin’ny tsy nisy…

AINGAMPANAHY FS
2020
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
48 1
Mpakafy: Afs185
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aingampanahy Feon'ny Saina
Nampiditra : Afs185
Daty : 03/12/2024 12:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144